hatraiza ny farany (GALAF)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
A a a a........
hatraiza ny fara fitiavako anao ry olona ô
No toa milefa miery ny tavako ianao
o..o..o..a..a..a..a..a..a..
o..o..o..o..o...o..o..o..o..o..
Impirimpiry aho no te hanangona anao
Mba ho eo ambany elatro hatrany hatrany
Kanefa tsy nohenoinao ny antsoko
dia hitaraina sy hanjady anao foana ve?
sa hanaiky izay rehetra ditrany fonao aho
rahoviana  eny rahoviana vao hody ianao

   fa efa valaka sy sasatra aho
Miandry izay mba hiverenao
sy hitodihanao ho amiko indray

hatraiza ny fara famoizako anao ry olona ô
fa toa misinda, manalavitra Ahy ianao!
ka arakaraky ny hanatonako anao
Amin' ny alalan' ny zanako lahy tsy foikono
toa nandrisikanao hiodina ahy
dia atositosikao sy lavinao foana ve?
ilay famonjena atolotro anao ry aiko
sao diso sao diso anjara amiko anao

   mamiko tsy foiko mihitsy anie Ianao
ka miala nenina Aho
mba hibanjinanao ilay akaniko

hatraiza ny fara fandeferako aminao
fa toa hinianao dikaina ny didy natao

hangaina sy mangahiahy foana ania aho
isakiny miantra sy mamindra fo aminao
fa lasa mandeha manota indray ianao
fa saingy tsy valiana ve? ny ratsy nataonao
dia izay no hikirizanao haditra hatrany
hevero hevero ihany sao neninao

Dieny mbola tsy mihatra aminao
ny fahatezerako izao
dia hararaotinao ho very ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GALAF
Hits : 221
Likes : 1 Like
Created by : MICHAEL.XSQ
Date : 26/10/2025 17:45
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0093