Manompo tsy amin'ny tahotra (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Navelanao ivondrona mba hampiasa ireo talenta
Hitory n'aiza n'aiza, ary indrindra koa hanefa
Hanefa ny irakao dia ny hanambara an'i Jesoa Mpanjaka
Amin'ireo 'zay nambolena mbola tiana hiorim-paka

Ref: Izy hamela antsika hanompo tsy amin-tahotra
Fa amin'ny toetra masina sy marina eo anatrehany
Aneho ny voninahiny sy ho FEON'NY LANITRA
Fa tena afaka aho noho 'lay Tompoko Andriamanitra

2. Misy ihany anefa fisedrana eny an-dalana ombana
Ny tanjonay anefa dia ny hitaona sy ahatamana
Koa mba tazomy izahay amin'ny sandrinao mahery
Ry 'lay mipetraka eo ambony fideran'ny Isiraely

Ref: Izy hamela antsika ...

3. Fa mbola lavitra ny aleha ho amin'ny firenen-drehetra
Koa handeha faingana aho ary tsy hitaredretra
Amin'ny fitandremana ny didinao ka noho izany
Ho fahazavana sy ho vavolombelonao maneran-tany

Ref: Izy hamela antsika ...

*Fin: "DERA SY NY SAOTRA HO ANAO MANDRAKIZAY"
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GAFLI
Hits : 675
Likes : 1 Like
Created by : Solofomandimby
Date : 26/04/2023 07:23
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734