Tsara tena tsara (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsara tena tsara ny mankalaza ny Ray Tsitoha
Fa afa-mamoaka rakitra tsara izay vokatry ny fo
Feo fifaliana manako hatrany an-danitra
Amboaram-peo, dia feo fihobiana ho an'Andriamanitra

Fenoy fiderana ny Tompo ny andronao
Fa mamiratra ao am-ponao Jesoa
Ireo malahelo sy kivy mba hizarao
Fifalina masina mba ho ravo fo
Tsara tena tsara ...

Ny fanahy ravo mahita fiadanana
Loharano velona ao i Kristy
Fa sambatra ireo izay mizara amin'ireo namana
Fa an-danitra any ny valim-pitia
Tsara tena tsara

Tsara !!!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : GAFLI
Vangy : 805
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Solofomandimby
Daty : 22/05/2020 17:44
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025