You are here: home > Tononkira > GAFLI

NY MPANOMPO MAHATOKY (GAFLI)

https://tononkira.serasera.org/hira/gafli/ny-mpanompo-mahatoky

1-Ny mpanompo mahatoky izay vonon-kanoa
Dia manaiky ny Fanahy handeha eo aloha
Ka ireo fahalalana tsy mba rehareha
Toetra tia manetry tena ilaina ho be dia be

Na ny hira tsara rindra na ny toriteny
Dia tsy maintsy arahina asa velona izy ireny
Mba hiteraka finoana hoan'izay mandre
Sy mitaiza mampitombo go tonga lehibe

2-Fa mpanompo voafidy, nandray antso ianao
Fitiavana fa tsy didy izay rehetrTsiky dia ampya atao
Raiso ny herin'ny Fanahy ka dia mazotoa
Tsy matahotra fa sahy manompo amin'ny fo

Fanomezam-pahasoava-marobe nomeny
Saingy tokana ny tanjona izay kendreny
Dia fiangonana mitory filazantsara
Iray saina, fo, fanahy sy tia mizara
       Na ny hira tsara rindra na ny toriteny
       Dia tsy maintsy arahina asa velona izy ireny
       Mba hiteraka finoana hoan'izay mandre
       Sy mitaiza mampitombo go tonga lehibe

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : GAFLI
Mpamaky : 30
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Solofomandimby
Tamin'ny : 22/05/2020 15:35:55
ID : 12746

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo