You are here: home > Tononkira > GAFLI

Alfa sy Omega (GAFLI)

https://tononkira.serasera.org/hira/gafli/alfa-sy-omega-1

Andriamanitra mpamorona Izy no Alfa sy Omega
Fiandohana,fiafaran'izao zava-drehetra izao
Azy ny hery sy fahefana
Mendrika Azy ny fiderana
Fa mahenika ny tany izao ny voninahiny
Ô ry olombelona ô,miankohofa eo Aminy

Ny fanahy efa velontononkira.serasera.orga mifoha
Dia misaotra ny anarany avokoa
Haleloia sy ny hira fihobiana
Fa Andriamanitra velona Jesoa

Asandratray avo ny anaranao
Ho famonjena izao tontolo izao
Indro ny fihiram-baovao
Fa Andriamanitra tsara indrindra Ianao Ray tia
Ny andro iainanay hiderana Anao.

Hevitra mandeha

hery (22/05/2020 22:00:03)

Mba omeo hoe ny hira. Alefaso amin'ny media@radiovazogasy.com

Solofomandimby (21/05/2020 12:19:03)

Vao maheno ity Hira ity dia mientana ny fo mam-panahy ... ny andro iainanay hiderana Anao!

Toocky (02/06/2016 12:47:50)

Hira klasika anisan'ny hahafantarana ny Groupe Artistique Feon'ny Lanitra Ilanivato

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : GAFLI
Mpamaky : 901
Mpakafy : 4 Ankafizo
Nampidirin'i : Toocky
Tamin'ny : 02/06/2016 12:52:39
ID : 8581

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo