ALINA MIAVAKA (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Alina miavaka,hiarahana mivavaka
Feo mifaly izao toriana izao
Teraka ao Betlehema,tanàna masina
Dia tonga mba hamonjy ny olombelona

*Ry Noely ho anay hatsiarovana Mpamonjy teraka
Zanaky ny Ray,tonga hamonjy ireo izay reraka
Koa fainganà ianao,amin'ireo namanao
Sy ireo sakaizanao hitsena izao

*Ry Noely ho anay fiainana sy fitiavana
Mampiray indray ireo olona tsy miavana
Esory ny lolom-po sy ireo heloka hafa koa
Mba hitondra soa ho anao izao noely izao

Inona no andrasana?moa va tsy mino ianao?
Fa tompon'izao tontolo izao no tonga izao
E,ireo mpiandry ondry ireo,sy ireo magy koa mbola eo
Tonga mba hiankohoka sy hitsaoka azy

*Ry Noely ho anay,finoana sy fiadanana
Fotoana iray hiravoravoan'ireo tsy manana
Hitondra hasambarana,isam-baravarana
Hiarahana amin'ny fo madio fa fety anio

*Ry Noely ho anay,fanantenana sy finoana
Hery vao indray hampientana ny fonay
Hiarahana manandratra,hanarina ireo efa lavo
Tsy kivy hanantena hatrany fa hanome hery androany

*Ry Noely ho anay hatsiarovana mpamonjy teraka
Zanaky ny Ray,tonga hamonjy ireo izay reraka
Esory ny lolom-po sy ireo heloka hafa koa
Mba hitondra soa ho anao izao Noely izao

(Mba hitondra soa ho anao izao Noely izao)×2
Ny Noely ho anay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Feon'ny fiderana
Hits : 596
Likes : 0 Like
Created by : Tiannie27
Date : 13/12/2023 15:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197