Nefa Matokia (CFF (Chorale Foibe FPVM Taninanandrano))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Atỳ amin'izao tontolo izao no hahitanareo
Aty amin'izao tontolo izao no hahitanareo
Fahoriana, fahoriana
Nefa matokia, nefa matokia
Izaho efa naharesy izao tontolo izao

Atỳ amin'izao... izao tontolo izao

Soa ihany aho nampahoriana
Mba hianarako ny Didinao
Nataoko sanatria ny hamoy fo
Satria lanao efa tia ahy taloha
Satria efa nampafantarina ahy
Ilay hafa tsara lavitra
Ilay valin-kasasaran' ireo
Izay maharitra

Soa ihany...maharitra

Rakofy ny Herin'ny Fanahy Masinao
Handositra ireo fakam-panahy
Hananako tombon-dalana
Mandritry ny hazakazako ety

Fitsapana mivaivay ny etỳ
Nefa matokia, nefa matokia
Na voatsindrona aza ny aty fo
Nefa mahasoa lanao mankatoa
Ny hatsembohanao Izay mitete
Tsy mba indray mandeha, nefa maneke
Fa ilay valin-kasasaranao
Minoa ahy ianao, tena lehibe

Mihorohoro izao tontolo izao
(matokia x3)
Nefa matokia, nefa matokia
Fandringanana aza no hitanao
(matokia x3)
Nefa matokia, nefa matokia
Tonom-bavakao reny avokoa
(lay tsitoha x3)
lzy no eo aloha lay Tompo tsitoha
llay Tsitoha manome toky anao (ho anao)
Hanome anao fitsaharana (lay
fitsaharana)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0924