Ilay Fanahy (BITSIKA Mandroseza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô! Ampidino ho anay
Ilay fanahy, Masina mpanazava anay
Tompo ô! Mba rotsahy ho anay
Ilay fanahy, velona hanadio anay
Tompo ô! Mba bitsiho am-po
Ilay hery, izay tsitoha mpampihavana
Tompo ô! Avelao koa
Ilay fahotana ato am-po mba ho maivana

Izahay ry Ray mba todiho
Ilay fanahy, mba bitsiho
Ho anay izay mino
Fa ny Ray, telo nefa iray

Fanahy ô! Mba midira ato
Anatinay tsirairay hanavao ny sainay
Fanahy ô! Mba mirotsaha ato
Ao am-ponay hanadio sy hamelona
Fanahy ô! Omeo le bitsikao
Fitiavana, firaisana, fihavanana
Fanahy ô! Toroy ny làlanao
Fanantenana mba tsy ho diso amin’ny fiainana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : BITSIKA Mandroseza
Hits : 173
Likes : 0 Like
Created by : raveloson195
Date : 05/05/2024 12:20
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818