Iray (BITSIKA Mandroseza)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Indrisy tojo rivotra mahery, ity sambo kelinay manjeny toa very
Miandrandra tanjona mba hitodiana kanefa toa mangeja ny hakiviana

Soa fa nisy Ianao ry Ray be indra-fo hanova ny adin-tsaina mampamoy fo
Ianao no handrindra ireo misara-bazana ka hiara-hisalahy tsy hifampitazana
Soa fa nisy Ianao, eny misy, ary hisy...handrindra ireo misara-bazana

Ny teninao ry Jesoa no harahinay, ho vala tokana, ho mpiandry ondry iray
Tolory saina hendry ireo nania, handré ny feonao miantso hoe avia

Ny eritreritray mba ovay, hahay hanetry tena toy izay nataonao
Hiezaka izahay ny handefitra, raha izany no haharava ny efitrefitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : BITSIKA Mandroseza
Hits : 47
Likes : 0 Like
Created by : raveloson195
Date : 05/05/2024 12:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748