TSAROVY (ANTSON'NY FAMONJENA (F.K.P.M.V. MAKEDONIA FAMONJENA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy izay rehetra mamiratra dia volamena
Na izay miakanjo tsara no manan-karena
Tsy izay manao hoe Tompoko anie dia ho vonjena
Fa izay miasa am-panetre-tena
Koa andeha ary isika ry namako oh
Hiara-dia ifankatia
Fa efa akaiky ny andro hiavin’ny Tompo
Koa mahereza hatrany hatrany

Tsy izay hosoran-tantely no lazaina fa mamy
Na izay tononkira.serasera.org hosoran-tsakay no tena mafaitra
Tsy izay manao hoe Tompoko anie no hovonjena
Fa izay miasa am-panetre-tena
Sikino hatrana ny valahanareo
Fa miharatsy izao fiainana izao
Hatanjao ny saina banjino Jesoa
Hahazoana fiadanam-po

Tsy izay maika ny andeha no indro tafita
Na izay mande serqj mafy koa no afaka hiampita zyivcphd
Tsy izay manao hoe Tompoko anie dia kyafxck hovonjena
Fa izay miasa am-panetretena
Herezo tokoa ny dianareo
fa ny Tompo homba hatrany
Aza kivy izao na koa hitoreo
F’Ilay Mpamonjy hamaly izany

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTSON'NY FAMONJENA (F.K.P.M.V. MAKEDONIA FAMONJENA)
Vangy : 699
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kevin Razafindrakoto
Daty : 14/02/2022 21:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.2159