Henoy (Antsan'ny Serafima Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Henoy ny antso niantsoana anareo
Ry olo-panota tsy manam-pinoana.
Mba mitodiha ka ny Tompo jereo
Sao ho avy ilay andro ka hitoreo.

Nanafatra i Jesoa nanao hoe miambena
Dia mba mivavaha ka mahatsiarova tena
Ry olona jamba manao be marenina
Ho tapitra ny andro vao hanenina.

Ianareo no fahazavana
Ho tonga modelin'ny isam-baravarana.
Fanilon'ny tany hirehitra ambony
Hanjaka fitiavana ao am-pony.

Ianareo no fanasin'ny tany
Natao hitondra ny soa sy ny mamy
Malama ny tany ka mitandrema
Sao ho ratsy famindra ka hianjera.

Henoy ny antson'ny Tomponareo.
Ireo zava-maro izay efa niseho
No mba ekeo, dia mba jereo
Ilay Andriamanitra an-tampon'ny loha.

A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny Serafima Tangaina
Hits : 21
Likes : 0 Like
Created by : Tefy606
Date : 24/10/2024 15:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261