Fitiavan'i Kristy (Antsan'ny Serafima Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Fitiavana no nahaterahan'i Jesoa Kristy
Teto ambonin'ny tany,
Tonga olombelona izy.
Fitiavana sy famonjena antsika zanany
tsy mba nasiany fetrany,
nentiny tety, nentiny ho ahy sy ho anao.

Ref: Fitiavana Jesoa Kristy,
Andriamanitra be fitia,
izay natolony ho antsika ety,
F'isika foana no mpanihasiha (indroa)


2) Fitiavana no nambaran'i Jesoa Kristy,
Hamerina ny ondriny
ao amparadisa indray Izy.
Fitiavana sy fanavotana antsika ety
Fahagagana nataony,
Tsy manavaka,tsara avokoa izay nomeny.

3) Fitiavana no nanoloran'i Jesoa Kristy
Ny Ainy lahy tokana
Teo ambony hazo fijaliana.
Fitiavana sy fiadanana
no miandry antsika
manana an'i Jesoa Kristy
fahasambarana ho mandrakizay doria.

A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsan'ny Serafima Tangaina
Hits : 49
Likes : 1 Like
Created by : Tefy606
Date : 07/10/2024 10:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0243