NIARETANY (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroanay ilay ora mangidy izay
Niaretan'ny Tompo irery tao
Nafoin-dRay nilaozan'ny havana
Niaritra vono sy kapoka

Tsaroanay ilay ora mangidy izay
Niaretan'ny Tompo irery tao
Nafoin-dRay nilaozan'ny havana
Niaritra vono sy kapoka

Kanefa nataon'Andriamanitra izany
Fa tiany tsy ho very isika izao
Meteza ary ianao hanaiky azy
Fa Jesoa mpanjaka ambony indrindra

Nifantsika, latsa sy eso koa
Nisatroka tsilo maranitra
Niaretan'ny Tompo irery tao
Niafarana tamin'ny rà latsaka

Nifantsika, latsa sy eso koa
Nisatroka tsilo maranitra
Niaretan'ny Tompo irery tao
Niafarana tamin'ny rà latsaka

Kanefa nataon'Andriamanitra izany
Fa tiany tsy ho very isika izao
Meteza ary ianao hanaiky azy
Fa Jesoa mpanjaka ambony indrindra

Jean Fils RAKOTOMALALA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725