Zanaky ny Ray (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiv : Zanaky ny Ray ô ô ô (in-3)
Zanaky ny Ray ianao raha hateraka indray

Raha hoy ianao,
Izaho anie ka mpianatra sekoly alahady
Raha hoy ianao,
Izaho anie ka dingana fahavalo sahady
Raha hoy ianao,
Izaho anie ka mpanao asa soa sy fiantrana be
Eny tsara dia tsara izany nefa tsy hamonjena anao

Raha hoy ianao,
Izaho anie ka skoto mafana fo
Raha hoy ianao,
Izaho anie ka mpamonjy fivoriana tokoa
Raha hoy ianao……………….

Raha hoy ianao,
Izaho anie ka tsy mba maniratsira
Raha hoy ianao,
Izaho anie ka isan’ny antoko mpihira
Raha hoy ianao……………….

Raha hoy ianao,
Izaho anie ka efa nandray ny Tompo
Raha hoy ianao,
Efa nomeko Azy ny tenako sy ny foko
Raha hoy ianao,
Tsy izaho intsony no velona
Fa Jesoa no velona ato am-poko
Tsara dia tsara, sady izay no hamonjena anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira MORIA
Hits : 222
Likes : 0 Like
Created by : tokyrajoelison
Date : 16/02/2025 12:18
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0793