Ry olona ô (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ry olona ô izay manjery ny andro ho lava
Tsy hainao ve fa fiaina-mandalo ny ety
Indro ianao mamindra tsy taitra milazà
Tsy hainao ve ny ampitso fa mbola mankafy
Lazaiko aminao fa tonga Tompo ankehitriny
Hanafaka ireo ota rehetra vitanao
Ka ny haratsiana tsy hita isa
Izay hiainanareo an-tapitrisa
Tsy hahazoanareo ilay Paradisa

Ref: Mipetraka re ny fanontaniana
Fa mba rahoviana ihany re no hitodiana
Efa mazava tsy ho zoviana
Ireo mpitsara izay miandry any aoriana
Ka raha toa Ianao ka be famaliana
Ho tsaroanao rehefa any aoriana
Ny fiananao asio fanovana
Handraisana feno ilay famelana
Tonga ary ny ora sy ny fotoana
Vonona ve ianao sa ahoana
Aoka ny sofinareo re mba handre

2- Saino anie fa fohy ny fotoana hiainana
Aoka tsy holaniana amin'ny zava - mora lo
Mba katsaho ilay tena fiainam-baovao
Paradisa tsara tsy manam-paharoa
Indro ny Tompo manolotra anao io fiainana io
Sy hanavao ireo fo maloto tsy madio
Ka ny fianana ho mora
Hidify koa ireo mpanakora
Ho sambatra ianao ka tsy ho tola
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira MORIA
Hits : 448
Likes : 0 Like
Created by : andrytianarajoelison
Date : 13/04/2022 19:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0804