Ny teninao (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny teninao ry Tompo
Dia sabatra maranitra
Izay entinao manoro
Ny sainay mba hamantatra
Ny hery anananay
Sy finoana anatinay
Raha misy mampahory hamingana
Ny teninao no aronay

Apinga ny teninao
Mitondra hery vaovao
Maharitra tsy mba lo
Izay tsy maintsy to
Ho levona ny tany
Ny teny mbola eo ihany
Manolo-pahendrena
Milaza famonjena

Ho antsika izay mandre izao teny izao
Miorena aza miova
Ny teny notoriana taminao
Zay harena ary lova
Avy amin'i Jehovah Ray Tsitoha
Tompon'izao rehetra izao
Ny fahendreny fahalalany koa
No itondrany izao

F'Izy no nihavian'izao
Zavatra rehetra izao
Izy no mihazona azy
Izy koa no antony
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira MORIA
Hits : 517
Likes : 0 Like
Created by : andrytianarajoelison
Date : 16/04/2022 10:10
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774