Hiara-hifaly (Antoko Mpihira MORIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 - Ny fiainana mantsy toa sarotra alainaSatria mampahory ka mampitaraina anao oh
Toa miezaka hatrany mitady izay ampy
Mandeha misikidy mitety ny sampy
Kanefa indrisy tsy mahavonjy ireny
Fa fitaka ihany ny teny nomeny
Fa indro Jeso efa tonga ho anao
Izay nisolo ny heloka rehetra natao
Dia indro tanteraka ilay famonjena
Ref : Ndao hiara-hifaly daholo ary isika e
Hiara-hikalo hira, vavaka sy mozika
Faingana daholo na vavy na lahy
Mba hiara-hidera an'Andriamanitra
Manatona aza misalasala, Andao !
Ndao hiara-hidera ilay Tompo mahery
Izay tonga hitady sy hamonjy ny very
Ka ny dera sy laza dia Azy irery ihany
Fa Izy irery ihany no mendrika izany
Ety an-tany sy any an-danitra any.
2 - Matetika mantsy isika izay mpino
Variana amin'ny fiainana
Ka manadino ilay Ray oh
Dia ilay Andriamanitra be indrafo
No toa tsy tsaroana fa mila adino
Tazony mafy ny fanantenana
Na dia sarotra aza ny lalan-kombana
Dia aza variana amin'ny fiainana ety
Fa tsinjovy ihany ilay fiainana arý
Dia ilay fiainana mandrakizay
Ref ...
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antoko Mpihira MORIAHits : 142
Likes : 0 Like
Created by : tokyrajoelison
Date : 20/07/2025 09:58
