Jehovah ô, Ray Fitiavana (Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/Jehovah ô, Ray fitiavana
Ianao no Andriamanitra Tsitoha
Ka mendrika fankatoavana
Fa lehibe sy manank-kery Tsitoha
Avy Aminao ny fitiavana
Nanambatr’ireto olon-droa, nampiray
Koa mba tahio izao fifankatiavana
Haharitra ho doria mandrakizay
Refrain :
Ny tokantrano miorina amin’ny fitiavana
Mitovy amin’ny fitavany
Fitiavan’Ilay Mpamonjy tia
No hany mafy tsy rava
Maharitra fitsapana
Tsy mba manahy, feno toky
Ho aro no iriana hanorenanareo ny tokantranonareo
2/
Miavaka ny fitiavana
Fa mamerovero hasambarana
Mampiombona koa, mampihavana
Ireo fo mifanaiky hiara-dalana
Masina koa ny fitiavana
Fa maneho ny hatsaran’Andriamanitra
Mba ho tarafina amin’ny finiavana
Hanaja ilay voady mba haharitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antoko Mpihira Akon'I Ziona (FJKM Ambohitsoa Fibebahana)Hits : 229
Likes : 0 Like
Created by : akoniziona
Date : 09/11/2023 09:59