Manankarena (Amboaram-peo Ny Fahazavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manankarena famindram-po IanaoRy Raiko o! zay any an-danitra
Ny heloka ny ota nankafizinay
Tsy nahasakana ny fitiavanao
Indro Jesosy tonga hamonjy
Nafoinao ho anay ho sorona
Manankarena famindram-po
Ianao Andriamanitra
Manankarena famindram-po Ianao
Ry Raiko o! mpamorona anay
Leferinao ny ditra sy hadalanay
Fitiavana no he! nasetrinao
Tsy sitrakao ho very izahay
Nirahinao Jesoa ho avotray
Manankarena famindram-po
Ianao Andriamanitra
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Amboaram-peo Ny FahazavanaHits : 2320
Likes : 0 Like
Created by : admin
Date : 18/05/2005 05:17