ANDRIAMANITRA TSY MANDAO (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry mpanota ô tsarovy f’Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia, Mandeha mizotra miankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila sady mitady ho toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao

Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny manao hoe :
" Lalan-kely arahina Fa aza mizotra amin’ny lalam-be ! "
Tsy nino an’izany ianao, Fa io hoy ianao no hita fa tena tsara
Nefa io izoranao io e, any an-davaka no miafara

Fa raha naniraka anao Izy ka niteny manao hoe :
" Mitoria ny Filazan-tsara Ho ren’ny olona marobe ! "
Ianao tsy nitory fa natahotra ny hifandona amin’i losifera
Tsy mba nanana Finoana fa vao voadona dia efa nianjera

Fiv farany :
Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao
Fa ny Tompo dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao no maningatsingana, Sasa-miarina fa voafingana
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao tia ny mialangalana, Te hiverina antsa-dalana
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao
--------
Link:
Comments
tantelyfa ( 26/07/2016 08:54)
Andriamanitra tsy mandao dia hiran'ny Groupe Laurent RAKOTOMAMONJY fa tsy hiran'ny AMAF. Misaotra ny Tompo nanome ny talenta dia mankasitra ny Groupe fa hira isan'ny tsy afaka ambavan'ny maro
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Hits : 10881
Likes : 0 Like
Created by : mamy78
Date : 24/01/2007 19:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078