Akaikinao (AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Akaikinao no fifaliako (ry Jesoa), sady mahafatahotr'ahy
Ka na manonja sy tena mafonja
Ny vesatr'izao fiainan'izao
Dia ahitako fitoniana (ry Jesoa) ,sady mameno ny fanahy (ka tsy manahy)
Tsy misy ahiana, fa fifaliana
Matoky eo akaikinao

2- Ny fitondranao mahagaga (ry Jesoa) fa manamaivana ny fo
Ka raha izay setra tafian'ny rehetra
Dia lasa miseran'avokoa
Ny tananao no miandany (ry Jesoa), ka mankahery manasoa (ho soa tokoa)
Ny hakiviana sy fahoriana
Akaikinao dia mody ho soa

3- Ny famindram-ponao tsy miova (ry Jesoa), ny tsoran-kazonao mahery
Ka raha mirona, mahatsiaro mifona
Dia tena avelanao tokoa
Anatiko ao mamelovelo (ry Jesoa), ny fikasanao mba ho soa (ho soa tokoa)
Ka mba fihino sy amasino
Ho mendrika anao tokoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AM GAF (Antoko Mpihira Gileada Anjomaran'ny Famonjena)
Hits : 1426
Likes : 0 Like
Created by : bigdog
Date : 07/11/2014 19:05
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784