You are here: home > Tononkira > Tann Faya

Dem (Tann Faya)

Kelikely ah' omaly, mbola ho glady ah' radem!
Mahantra kely ah' androany fa mbola ho Boss ah' radem!
Za miteny io malemy fa mbola ho mafy ah' radem!
De za ho topon' ny tany f' enao ho topon' ny nenina!
Ranomaso ah' andruany fa mbol' hitsiky ah' radem!
Na tomany ah' anio fa zany ve moa oafenina??!
Oran-dava ny omaly mbola ho baliaka io radem!
Ratsy vintana andruany, fa mbola hiatsara io radem!
Refrain : Mety oe adala ah'!
Hoe doma be mpanofy atoandro ah'!
Farafaratsiny anefa hafa ah'!
Fa 'nareo rehetra ange!
Nareo rehetra ange!
Mitovy daoly!
Ra resy lava Tsiky dia ampyah' omaly, mbola ho mpandresy ah' radem!
Firy taona nijaly fa mbola ho faly ah' radem!
Malotava ah' andruany, mbola ho sariaka io radem!
Niafy kely ah' omaly fa mbola hiliba ah' radem!
Nofy!
Nofy!
Enga anie ho tanteraka!
Na sarotsarotra ny làlana fa za kou' tsy hifezaka!
Ra tsy tongako 'zany zafady fa za tsy ipetraka!
Natao ho tody matoa 'tsika rehetra nateraka!
Refrain : ...
Sanatria 'ndray andro any,
Ka tsisy ho tafa ny ventsoko!
Raiso hoanao re ny nofiko,
Ataovy ambava ny teniko!
Fady atsika le miemotra, ra ilainao oaveriko!
Mba tsy ho lany fatany 'lay
ranomaintin' ny peniko!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tann Faya
Mpamaky : 1321
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 16/11/2016 23:56:39
ID : 8953

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo