Mararim-pitia (Joseph d'Af)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Tonon-kiran'i Solomona 5, 6 - 8)

mba henoy kely anie tantaran'ity Mpanjaka iray
nandre ny feon'ny malalany hoe:
vohay aho, vohay fa injay
namoha varavarana Izy, kinanjo anefa tsy teo intsony
dia nandao ny lapa Izy mba hitady 'ilay malala'ny fony

Dia nandendeha teny an-tanana izy
nokapohina, noratrana izy
izany anefa tsy nahatazona azy
raha mba hitanareo any izany malalako izany
izao no hafatra ho lazainao any

Réf:
lazao azy, lazao azy, fa mararim-pitia aminy Aho
lazao azy, lazao azy, fa mararim-pitia aminy Aho
Anio ihany, anio ihany aza avela ivelan'ny tany
Fa anio ihany, anio ihany, aza miandry ivelan'ny tany

Mba henoy kely anie, fitiniko ny filazany Azy
Hoe mamin'ny fony anie na dia niodina sy nanitsaka Azy.
Toy ny volamena alaina avy ao ambanin'ny tany
Mba ho harena saropbidy amin'ny fanjakany

Dia nandendeha teny an-tanana izy
nokapohina sy noratrana izy
izany anefa tsy nahatazona Azy
Raha mba hitanareo any izay malalako izay
Izao no hafatra ho lazainao any

Réf: . . .
Jesoa Kristy, ilay Mpanjaka nitady anao
izaho sy Ianao ilay nampakarina
izany no hafany ho anao

Réf: . . .
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Joseph d'Af
Vangy : 77
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fetramaharosoa
Daty : 23/04/2024 13:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714