I Jehovah no Vatolampinao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba mafy izao ny ady iaretanao
Tebiteby lava, mahakivy, mampitalaho.
Dia isan’andro, manahy hoe : « hoavy eo ve ny fahavalo » ?
« ’Zaho ve higadra ? Dia ho ela any sa mba mandalo ? »
Miantsoa, fa Izy hanampy anao hijoro.
Ianao tia azy, tsy mba havelany ho torotoro.
Dia mitrakà. Mahery indrindra ilay Rainao.
Tadidio fa an-tapitrisa ireo miangavy ho anao.
Ref : ‘zahay eo foana ; atrakao ny loha, hatanjaho ny fo
Fa ianao tsy ho resy.
Jehovah eo foana, Izy hanampy ; Vatolampinao, eo foana.
Saintsaino ireo fitahiana efa miandry.
Ary i Jehovah no iantehero, ataovy andry
Aza manahy na hoe matahotra azy ireo,
Fa kely sisa, ho adino ‘zay mampitoreo.
Jereo ! fa efa miandry ireo daholo
Ny anjely maro handringana ilay tontolo.
Trompetra sisa no andrasan’izy ireo, dia ‘zay.
Ka tsy mba hanenenanao ‘zay niaretana hatrizay !
Ref : ‘zahay eo foana ; atrakao ny loha, hatanjaho ny fo
Fa ianao tsy ho resy.
Jehovah eo foana, Izy hanampy ; Vatolampinao, eo foana.

‘Zahay eo foana ; atrakao ny loha ! hatanjaho ny fo !
Fa ianao tsy ho resy.
Jehovah eo foana, Izy hanampy anao; Vatolampinao, eo foana.
Vatolampinao, eo foana.

original: Russe(May 2021)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 76
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 23/04/2024 17:29
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0836