Fantany tsara aho (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na io masoandro io firy taona no efa teny, ‘zaho vao nitsaika tao an-kibon’INeny.
Jehovah anefa nahita, nizaha izay rehetra mombamomba an’ahy.
Mba diniho kely anie ‘zany e !
Ref : Ny ao am-poko, ny ao an-tsaiko
‘Zay ataoko sy miantraika,
Dia hainy sy fantany avokoa.
Tsy very maina ny herim-poko.
Ny sentosento, ny vetsovetso,
Izay toreo tsy haloa-peo,
Dia tsapan’i Jehovah ny ahy.
Ka ‘zaho tsy hanahy fa hainy.
Ho tafita ka ahita paradisa No fanirian’ny Ray ho antsika
Dia izy tsy hoe hanakiana fa mitady Izay tsara kely any am-potsika any.
Fa izy anie tena tia.
Ref : Ny ao am-poko, ao an-tsaiko
‘Zay ataoko sy miantraika
Dia hainy sy fantany avokoa
Tsy very maina ny herim-poko.
Ny sentosento, ny vetsovetso,
Izay toreo tsy haloa-peo dia tsapan’i Jehovah ny ahy
Ka ‘zaho tsy hanahy fa hainy.
‘Zay mampiady saina androany Dia aborahy aminy avy hatrany.
Resaho, resaho
Ny fanantenana hazony, ny fonao Ezaho mba ho tony.
Fa Izy anie mahery, tsy hamela anao ho resy.
Ref. avec Choristes : Ny ao am-poko, (Choer : ny foko), ao an-tsaiko
(Choer : izay ataoko) ‘Zay ataoko sy miantraika (Choer : sy miantraika)
Dia hainy sy fantany avokoa
(Choer : Tsisy very maina) Tsy very maina ny herim-poko.
(Choer : ‘zay sento) Ny sentosento, ny vetsovetso, (Choer : ny vetsovetso)
Izay toreo tsy haloa-peo (Choer : tsy haloa-peo)
Dia tsapan’i Jehovah ny ahy (Choer : ohohoh, ohohoh)
Ka ‘zaho tsy hanahy fa hainy.
(Choer : ohohoh fa hainy)
Ny ao am-poko, ao an-tsaiko
(Choer : izay ataoko) ‘Zay ataoko sy miantraika (Choer : sy miantraika)
Dia hainy sy fantany avokoa
(Choer : Tsisy very maina) Tsy very maina ny herim-poko.
(Choer : ‘zay sento) Ny sentosento, ny vetsovetso,
Izay toreo tsy haloa-peo
(Choer : ‘zay toreo) dia tsapan’i Jehovah ny ahy (Choer : ohohoh ohohoh)
Ka ‘zaho tsy hanahy fa hainy.

(Sept 2023)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 57
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 23/04/2024 17:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716