Satria Mino Aho (Salamo 27:13) (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
    
1. Enjehina aho fa tony ihany.
Feon’ny liona izany,
’Zay mitady hamiravira.
Ry foko, mifikira!
Jehovah manda miaro hatrany.
(FIVERENANA) Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,
Vao mainka aza aho hifikitra aminao.
Fa tsy jamba ny finoako, Mahita aho ato am-poko
Hoe ianao eo hanatanjaka ahy. Satria mino aho...

2. ’Reo tia anao hatrizay
Mba voasedra tsirairay.
’Zao ’ndray ’zaho aloha no miady;
Toa hitako io sahady  
’Lay valisoa homenao anay!
(FIVERENANA) Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,
Vao mainka aza aho hifikitra aminao.
Fa tsy jamba ny finoako. Mahita aho ato am-poko
Hoe ianao eo hanatanjaka ahy. Satria mino aho...

(TETEZANA) Jehovah moa no mijoro eo aloha,
Ka tsisy hampandositra ahy. N’inon-kidona,
Handresy aho fa manam-pinoana.
Mahafindra tendrombohitra aho!

3. Efa ao aoriana kely ao ’Lay tany soa vaovao
Natokanao ho ahy. Ry foko, matanjaha
Fa tsy haharitra ela intsony izao!
(FIVERENANA) Tsy hatahotra aho na maizim-pito aza izao,
Vao mainka aza aho hifikitra aminao.
Fa tsy jamba ny finoako, Mahita aho ato am-poko
Hoe ianao eo hanatanjaka ahy. Satria mino aho...
Satria mino aho... (Jereo koa ny Heb. 11:1-40.)

(Fivoriambe 2021)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 125
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 23/04/2024 17:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1515