NY Sainao Fefeo (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Zaho’nie mba te hanao ny tsara,
Fa ny ato am-poko misalasala ;
Tsy matoky ,manahy hatrany
Hoe ‘zay vita ve ampy ihany.

Ianao anefa efa nanoro :
‘lazao ahy raha toa ny fo torotoro,
Teneno ahy zay mampanahy.
Jehovah o, Ianao namaly ahy
Hoe: aza manahy, ny sainao fefeo,
‘zay tsara ihany, ‘zay no jereo.
N’inona hiseho, ny fo mbola tony ;
Hitraka tsy ho kivy, dia tsy hanahy intsony.(v:ououououou)

Ianao ‘nie tiako hampifaliana,(v :hhhaayy a)
Fa toa be loatra ny fanahiana,(v :hhhaayy a)
Mba rahoviana izao no hisava ?(v :hhhaayy a)
‘Zaho ve tianao lalandava ?

Fa ‘zaho anefa tsy hanaiky ho resy,
‘lay antenaiko tsy mba havelako ho lefy.
Fa hataoko an-tsaina , hozaraiko.
Matoky aho fa eo Ianao, Raiko.
Ka ‘zaho tsy hanahy, ny saiko hofefeko,
‘zay tsara ihany, ‘zay no hojereko’.
N’inona hiseho, ny fo mbola tony ;
Hitraka tsy ho kivy, dia tsy hanahy intsony…
tsy hanahy intsony.

Malahelohelo, mafy ny androany !
Tsy hamelako raha tsy afaka izany .
Na maizina aza ny eo anoloana,
Ianao manome ny fiadananao foana.
(ououou) Ianao efa teo foana !
Ka ‘zaho tsy hanahy, ny saiko hofefeko,
‘zay tsara ihany, ‘zay no hojereko.
N’inona hiseho, ny fo mbola tony ;
Hitraka tsy ho kivy, dia tsy hanahy intsony.

(Aprily 2021)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tvbroadcasting
Vangy : 57
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : raniNi1
Daty : 23/04/2024 17:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778