Efa nangina ny valiha (Tarika Son)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
zdfvqava Efa nangina ny valiha
Very namana
Ireo rotsirotsiny taloha
Zary nofinofy
Ngolingoly ny ao psbnzkl am-po
Torovandrovana
Raha mahatsiahy ny taloha
Toa lasa vinany

Lasa izy e, lasa tsy hiverina intsony
F’ireo sanga’asany hipetraka ho tantara
Tsy hay hadinoina, mipetraka ho tantara

Ny feonao izany kosa
Mibitsika fitia
Toa miteny mora hoe
Ndeha raiso ny valiha
Rangoty mora mba ho ahy
Ilay hirantsika iry
Rangoty mora mba ho ahy ho’aho
Izaho hihaino mozika

Sodina, sodina no ngzcmnrh tsy ampy amin’izay
Aza maka sarotra, aleo halefadefaka
Tsofy mora hisononoka ho’aho

Efa tononkira.serasera.org nangina ny valiha

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Son
Vangy : 2299
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 23/11/2015 21:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.011