Ankaratra manjombona (Son)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny masoandro mihilana iny o
Hitroatra ho azy ny alaheloko
Tsy tana f’indro lasana mankany
Ontsa re ny fo te-hitomany
Lay hany tokana tsy foiko e
Na lavitra aza tsy afaka ato am-poko.

Manjombona iny Ankaratra iny e
Ny masoko no tondrak’orana
Miombona alahelo ‘zay jerena
Tsy kivy anefa fa mbola manantena
Toa vitsika momba kitay anie aho
Manembona ny any aminay

Eh tsaroako izany omaly e
Sangisangy feno fitiavana
Oroka tantely mamy, tsy foiko
Lasa nofy nentiko natory
Oroka tantely mamy, tsy foiko
Lasa nofy nentiko natory

Mbola ho avy ilay maraina
Diavolam-pararano hamiratra
Na oram-batravatra re ny anay o
Sarotro iray no hisaloranay
Na rivo-mahery hanao safoto
Tratranao mavàna no miampofo

Ny masoandro mihilana iny o
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Son
Vangy : 1538
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/11/2015 19:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118