Bogosy blues (Son)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny maraina maneno akoho
Mifoha dia mivavaka aloha
Mikobana ambany sy ambony
Hitsena masoandro
Hanadio zay vita omaly
Ny anio mba tsinjovina ihany
Petit dejeuner efa vita
Dia miainga mankany mankany

Dia mamonjy an’ireo taritary eny amin’ny bara vy
Misy ireo zay mandalo miserana manao salut
Tsikitsikin’ireo tovovavy manjelatra ery hoa
Lamozika zay lalaovinay hono mba tiany ery
Dia miainga ny karaoke, sotrosotro amin’ny cabaret
Na madama na madimozely, endrik’ anjely
Noraisina teo ny gitara, notsofina koa ny farara
Fa nanezaka r’ Ikalabozy, hirahira blues
'Zay lay kozy e, bogosy blues
'Zay lay kozy ho’aho, bogosy blues

Manakaiky ny ora fodiana
Dia midongy ireo mbola variana
Fa ny revy hono mahazaka be
Aza mbola mandeha hono e
Dia nasiana whisky sy labiera
Dia samy nasiana ny vera
Tsy misy mihoatra ny dozy
Classe. mba kozy ho'aho
Manakaiky ny ora fialana
Dia mizizo ‘reo mbola tamana
Fa ny revy hono masaka be
Aza mbola mandeha hono e

Dia mamonjy an’ireo taritary eny amin’ny bara vy
Misy ireo zay mandalo miserana manao salut
Tsikitsikin’ireo sipakely manjelatra ery hoa
Lamozika zay lalaovinay hono mba tiany ery
Dia miainga ny karaoke, sotrosotro amin’ny cabaret
Na madama na madimozely, endrik’ anjely
Noraisina teo ny gitara, notsofina koa ny farara
Fa nanezaka r’ Ikalabozy, hirahira blues
Zay lay kozy e, bogosy blues
Zay lay kozy ho’aho, bogosy blues
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Son
Vangy : 1060
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 14/11/2015 15:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4905