Anjozorobe (Son)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hono hoa ry lakanjejo atopatopan’onjandrano,
Ho aiza ianao, mba lazao ahy, sao hitetitety vazan-tany ?
Raha mba sendra hitanao any ‘lay tovovavy kely izay
Dia mba ento mankatý, manina azy aho izany.

Izaho anie tsy maintsy mody hamonjy an’Anjozorobe
Sasa miandry ny any an-trano
Faingàna re ianao
Izaho anie tsy maintsy mody hamonjy an’Anjozorobe
Miandry anao ‘lay Mangalilo
Na nofy ihany anie

Aza hadino ny mandalo ao an-tranon’i Rabefarihy
Izy mantsy no miandry ny tanànan’i rakalakely
Valala mpiandry fasana ao ikaky, ralakanjejo
Ela nihetezana izy manko, lava volo tamin’ny fiainana.

Raha mba azoko natao dia nanaraka anao
Saingy tsy afaka manoatra
Raha lavitra ny dia.
Raha mba azoko natao dia nanaraka anao
Saingy tsy afaka manoatra
O ralakanjejo jejokely

Izy anie nilaza ho avy fa mbola tsy nandalo foana
Sasa-miandry hono hoe lay bandy
Faingàna re ianao
Izy anie nilaza ho avy fa mbola tsy nandalo foana
Sasa-miandry hono hoe lay bandy
Faingàna re ianao

Fa mangina ny tanàna nilaozanao hatramizay
Ka faingana ry malala
Sasa-miandry ny havanao
Izaho anie ka mbola hody hamonjy an’Anjozorobe
Sasa-miandry ny any an-trano
Faingàna re ianao
Izaho anie tsy maintsy mody hamonjy an’Anjozorobe
Miandry anao ‘lay Mangalilo
Na nofy ihany anie.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Son
Vangy : 1640
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 03/11/2015 19:11
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.152