Majunga (Son)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa mihitsy ny saiko mahatsiaro ilay Majunga
Tsika niara-nidola toy ireny mpirahalahy
Raharaha miaramila natao tamin’ny roa amby valopolo
Vola nandeha taxi tamin’zany mbola efapolo
Raharaha miaramila natao tamin’ny roa amby valopolo
Vola nandeha taxi tamin’zany vola efapolo

Tapany maitso ny akanjo ka namirapiratra
Tsika zareo lasa lavitra namita iraka
Isa-kariva korana gitara sy vely daba
Vazobe, mosakiky, hirahira akaikin’ny baobab
Isa-kariva korana gitara sy vely daba
Vazobe, mosakiky, hirahira akaikin’ny baobab

Rehefa asabotsy zareo dia mba lasa mandehandeha
Isika nanao rendez-vous takaikin’ilay Bonnet
Nifarana ny herinandro dia mba niala sasatra
Fa niaraka isika sy indry nizaha sinema
Mba ho fahatsiarovana manja an’ilay Majunga
Tantara tsy hay hadinoina ny antsika sy ialahy ho’aho

Indraindray moa tsy hita fa any dia samy mampianatra
Marcoz, Renel, hatrany Tsararano
Ny tsaiky rehetra tsy misy malaina
Tsy misy manaiky ho dondrona ka azonao ambakaina
Ny tsaiky rehetra tsy misy malaina
Tsy misy manaiky ho dondrona ka azonao ambakaina

Ny andro amin’izany tsy laitra, migaina, mafana be
Citronnade mitobaka manenika ny arabe
Mbola tanora ny akama ka tia sangisangy
Majunga koa lehiretsy manja manangy
Mbola tanora ny akama ka tia sangisangy
Majunga koa lehiretsy ka maro manangy

Rehefa asabotsy zareo dia mba lasa mandehandeha
Isika nanao rendez-vous takaikin’ilay Bonnet
Nifarana ny herinandro dia mba niala sasatra
Fa niaraka isika sy indry nizaha sinema
Mba ho fahatsiarovana manja an’ilay Majunga
Tantara tsy hay hadinoina ny antsika sy ialahy ho’aho

Isika mikisaka kely hilalao ranomasina
Tsy manota fady, ny toerana anie misy hasina
Manala kiraro, mihanjaka ambony rizalahy
Dia miara-misikina sikina lamban’ny SOTEMA
Manala kiraro, mihanjaka ambony rizalahy
Dia miara-misikina sikina lamban’ny SOTEMA

Tadidin’ialahy ve ialahy lay nisangy masera
Nitsangatsangana hariva amin’ny bord de mer
Nataony ihomehezana fotsiny ise f’efa dôzy
Ka na inona zava-nitranga tsy nasiana kôzy
Nihodina ialahy avy eo nanadala karana ho’aho
Lay vadiny ngetroka be aza avy nihanahana

Rehefa asabotsy zareo dia mba lasa mandehandeha
Isika nanao rendez-vous takaikin’ilay Bonnet
Nifarana ny herinandro dia mba niala sasatra
Fa niaraka isika sy indry nizaha sinema
Mba ho fahatsiarovana manja an’ilay Majunga
Tantara tsy hay hadinoina ny antsika sy ialahy ho’aho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Son
Vangy : 1845
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/11/2015 18:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012