Pasitera (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Pasitera hafa tononkira.serasera.org ffsphxz toetra no Mpitandrina anay,
Tsy mba toy ny rehetrarehetra ka mahasorena indraindray!
Ireo Mpiara ybovdv miangona aminay ,miha vitsy noho izany !
Ilay Pasitera mantsy anie ka toa mitady ho be vinany!

Tompo ô! Tompo ô! henoy izao vavako izao !
Tompo ô! Tompo ô! Vonjeo re ny Fiangonanay!

Ny Fiangonanay ety hialokalofan'Amboadia!
Hanoro làlana any no antondiany tety !
Izy kay Mpiandry ondry miantso Bibidia!
Izy kay ho'a Mpiandry ondry miantso Bibidia!

Tompo ô! Tompo ô!henoy izao vavako izao!
Tompo ô!Tompo ô!vonjeo re ny Fiangonanay!

Fitafiana manan-kasina no fahita eny an-kodiny,
Kabary fa tsy teny masina no maha mailaka ny molony.
Izy loham-pary indray no tsy mamy fa matsatso!
KA SOLOY AVY HATRANY FA AZA ASIANA ANDRASO ANDRASO!

Tompo ô! Tompô ô! henoy izao pjzs vavako izao !
Tompo ô!Tompo ô!vonjeo re ny Fiangonanay!

Baiboly no eny an-tratrany ,balaoasy no ao am-bavany
Teny soa no noteneniny hay Sipa kely no notetehiny,
Volanay natao rakitra najifa lany tapitra !
Ny volanay ho'a lanin-drakitra ny paikan-adiny tsara rafitra!

Tompo ô! Tompo ô! henoy izao vavako izao!
Tompo ô! Tompo ô!mba vonjeo re ny Fiangonanay!

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 2530
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 24/02/2015 23:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0519