You are here: home > Tononkira > Nantenaina

Mandalova (Nantenaina)

Tongava mamangia raha toa ianao ka tia,
tongava fôna fôna e!aty an-trano no fotoana!
Sakafo mahavoky no miandry anao ety,
Fitiavana no toky e! ka faingana mamangia!
Maro ny azo atao rehefa tonga ianao,
ho tanteraka avokoa 'reo nofinofin-tsika roa.
Sangisangy,angotingoty,safosafo,tositosy e!
Paradisa ho'a ny Tany e! ka mba tongava ihany!
Mandalova ho'a raha toa ka Tia ana!
Aza andrasan'elabe e! fa mandalova re!
Mandalova akia,fa miandry anie aho Chérie
Ny foko efa Tia etononkira.serasera.org! ka mandalova akia!
Fitia miredareda latsaka am-po chéri,
Mila hafanana, hazavana ilay Fitia.
Ngômangôma mahatsiaro,ngôma zaho aty!
k'aza matahotra avy enao fa ho avy anie aho chéri!
Efa mangetaheta hiaina ilay Fitia,
Fitia tsy manam-petra no homeko anao chéri.
Isaorana ny Avo,nanome ahy anao e!
ka ny vavaka atao e!MBA HO AHY IRERY IANAO E!
Ho avy anie aho hamangy anao chéri
Tsy hampiandry elabe fa izaho koa efa tia.
Ho avy anie aho fa mahandrasa akia,
Ny foko efa tia e! omeko anao chéri!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Nantenaina
Mpamaky : 1131
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : herissoa
Tamin'ny : 05/02/2015 22:22:04
ID : 7139

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo