SENTOSENTO (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa tapi-mandry ny isam baravarana ,
Matory misonenika migoka fahasambarana.
Izaho izany kosa mipitrapitra irery,
Toy ny olona kanosa matahotra aho sao very.
Toy ny olona kanosa e!toa tsy ampiampy hery.

Ny fo tempotempo mihazakazaka famindra,
Mangotraka mihempo toy ny hira ratsy rindra.
Misentosento irery anaty alina mangina,
Mitempotempo irery e!fa manina olon-tiana.

Ny saina tsy milamina fa te ahita an 'azy e!
Za moa manimanina mahatsiarotsiaro an'azy e!
Ny andro sasak'alina masiaka mpamosavy,
Aleo ihany malina ny ratsy tsy mivazy.

Za koa anie cherie mba mahatsiarotsiaro an dry
indraindray mba manimanina ,mila tsy ahalatsa-kanina
Ny maso bongobongo menabe milongolongo,
tsy nahita tory e!faly nefa ory!

Izay atao rehetra tsisy miditra ao an-doha
fa mahatsiaro foana foana ny fiainan-tsika roa!
Tsaroanao koa va re isika roa ilay nandehan-deha,
BARIKADIMY,ANKIRIHIRY,souvenir mankadiry!
ilay tany ankirihiry e!tadidiko izy iny.

Izahay vehivavy anie,tsy afa-mamboraka mialoha,
na dia hoe mitafotafo ny Fitiavana ao am-po,
fa miandry foana foana miandry lava ilay fotoana,
mivavaka mangina mba ho tiavin'olon tiana.

Aretina hitovizana kay ny an-tsika roa,
ka raiso ilay Fitiavako hampanjakao ny FO,
itsahatra ,ifarana ny asa loha taloha,
hilamina ny saina ho sambatra tokoa

NANTENAINA & FRANCES-J
--------
Rohy:
Hevitra
michelmahefa8 ( 04/11/2017 12:34)
misaotr betsaka fa tena milay leizy,hafa iany nantenaina raha namorin-kira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 6611
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 24/08/2014 15:42
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841