Nantenaina

Nampiditra herissoa
26/08/2005 08:26
Hiran'i Nantenaina 30 Jereo eto
Vangy : 7406
Mpankafy : 2 Ankafizo

Hevitra momba an'i Nantenaina

zama (23/11/2003 17:29)
Tarika NANTENAINA :
Ahitana mpihira 2 mirahalahy( Richard no anaran'ny iray) miaraka aminy ary vehivavy iray izay tsy tena fixe .
Momba an'i Nantenaina en personne

Toetra : Olona tia mifandray @ olona rehetra
izany hoe tsy miavona.
Nahalala azy daholo izay rehetra nianatra tao Barikadimy satria tsy dia tia misehoseho loatra.
Tiany loatra ny resaka hira ka rehefa harivariva iny ka avy nianatra avy any ampianarana dia ny fialamboliny dia ny mitendry Guitare .
Anisany mpihira tiany dia ny TARIKA MAHALEO.

Fiaviany : avy any amin'ny faritra Antsinanan'ny Nosy ; mipetraka any Fenerive Est
Nianatra teny @ Université Toamasina raha ny marina dia nanao Filière ECONOMIE .
Raha tsy nisy ny fiovana dia miasa ao Toamasina amin'izao fotoana izao.
Marihina fa samy nanovo fianarana tao @ Université Barikadimy daholo izy telo lahy ireo ary iray kilasy tao @ Filière Economie.
Anisany tena nahafatarana an' ny Tarika NANTENAINA tany amboalohany dia ilay hira hoe : " Zanak'ambanivolo" izay nalaza tokoa tany amin'iny renivohitry Betsimisaraka. Ary io no cassette voalohany navoakany<.
Tao koa ilay hoe " Tambitamby" sns e!!!......
Izay aloha fa mbola maro fa aleo ho an'ny manaraka indray.
N.B : Ny mpandefa dia namany iray kilasy taminy ihany ka izay aloha no nahafatarako azy ka ialana tsiny raha tsy ampy na misy hadino na diso.

Hiran'i Nantenaina (30)

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109