Afa-baraka (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Afa -baraka aho marina mafy ,afa-baraka aho ho'a!
Afa -baraka aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!

Ho tapitra mantsy ity ny mandat,naha Député ahy
nefa azo isaina ny zavatra vita fampanantenana!
Ny fifidianana ity efa ho avy,fotoam-pitsarana !
Inona indray re ny lainga halahatro mba ahalany ahy?

Afa-baraka aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!
Afa-baraka aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!

Raha ny sezako aloha tsy ho avotsotro na dia ho tezitra ela!
Ny faniriako aza hiakatra ambony ho lasa Président!
Na farafaharatsiny ho Goverinora (Gouverneur) ho tompon i Laka!
Fa ny tena tiako dia Amperora Mpanjakan ny Mpanjaka a!
Fa ny amperora mantsy lery lavidavitry ny empêchement !

Afa -baraka aho marina mafy ,afa-baraka aho ho'a!
Afa-baraka aho marina mafy, afa-baraka aho ho'a!

Raha lanjalanjaina ireo zavatra vita ,maivamaivana ihany !
Ny teti-bola iaraha mahita tsy ahavitana an'izany!
Ireo Mpanolon-tsaina Mpanoro vilana ho soloiko avy hatrany
Ny kabinetrako amboariko kely ho esoriko izay tsy mamely!

Afa-baraka aho marina mafy,afa-baraka aho ho'a!
Afa baraka aho marina mafy ,afa-baraka aho ho'a!

Raha ny Vahoaka dia tsy te ahalala miandry ny Résultat!
Manaraka tsara ny toe-draharaha ka tambatambazo ihany lahy
Aza hitako lahy aza mahita ahy ka ho hisy ny empêchement!
Za ndray lehiretsy tsy hanaiky an'izany,tsy hiala ,tsy hiala aho ho'a!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 2084
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 24/02/2015 23:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725