Fitia tsy tafita (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vinavinan tsika ny hanoron tokatrano ho sambatra ho lasa paradisa
nefa ny Reninao re masiaka dia masiaka,mandrara ilay fiarahan -tsika.
Ilay volana tomaratra saika hibaliaka tandrifin-drahona dia tsy hita,
ali-maizim-pito tsy misy hazavana ririnina nilaozana hafanana.

Indraindray ny fiainana eto an-tany,ranomaso lava sy tomany
tsy mba misy andro baliaka ,fa raho-mainty foana re no hita.

Izaho sy ianao anie dia samy mahatsapa f'ilay Fitiavan-tsika latsa-paka
ny hanongotra an'izany hararirary ihany fara-fahoriana eto an-tany.
Isika mba nikasa ,isika mba naniry ny hanan-tokano Paradisa.
ny lahatra sy anjara anefa tsy voabaikon tsika hadinoy ilay Fitia tsy tafita.

Na samy Tia aza izahay ,dia toa tsy anjaranay ,
ny hiara-dia ho doria e!amin'ity fiainana ity

Raha mba fantatra mialoha mantsy fa tsy ho tontosa izato vinavinan-tsika
dia angamba efa hatry ny ela ô!raha vao niandoha monja,dia nafoy ilay Fitia tsy tafita
Ankehitriny kosa anivon-drano lalina misedra onja mahamay
herivaikam-pitsapana indrisy tsy azo ialana ka rendrika ilay sambokelinay.

Any mantsy izy any izaho aty te hitomany,
saingy ny elanelan-tany no tsy ahitako azy androany.

NANTENAINA: Atolotra ho anareo Mpankafy rehetra!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 11964
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 05/09/2014 17:06
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111