VAVAKA (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andriamanitra Andriananahary,
Ray Mpamorona sady Nahary!
Be Fitiavana tsy mba manary,
Mpamindra fo amin olo mijaly!

Izao tontolo izao no mijoro,
dia noho ny herinao Manontolo!
Koa hanandratra ny anaranao,
izao hira foroniko izao!

Tsinjovy ireo olo marary,
miady mafy amin izao ora izao!
Tsinjovy izy ireo fa mijaly,
sitrano amin'ny Anaranao!

Ao koa ireo olo sahirana ,
tsy mety mahita mangirana!
Niavonan i vintana angamba ,
tolory vary, savony sy lamba!

Ireo mpanota izay varimbariana,
iantrao f aza mbola ariana!
Tsy mahalala izay tokony ho atao,
aza adino fa mba zanakao!

Fa ny rendrarendra eto an tany,
mitombo, mitombo hatrany.
Mirehareha ry Satana,
maninona moa raha gadraina?

Fahotana nataoko tsy nahy!
izay namitaka nandavo ahy!
olombelona nofo sy rà,
ka mba solafaka ho a e!

Mifona,mifona aminao,
mandohalika ity zanakao!
hanandratra ny Anaranao,
fa ny otako aloha mba fafao e!

Fa ny olona Manao ny tsara,
voafingana foana mazàna!
Arovy,tsinjovy manokana,
sao ho kivy ka lasa hanondrana!

Ny Ampitso mantsy zava miafina,
sao ny làlan-drehetra ho tampina!
Ka ny làlana namboarinao ô,
no indro ho tadiaviko izao!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 1952
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 20/01/2017 15:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2517