Vôlan'écolage (Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Falifaly zaho ô!faly ravoravo ô!
Falifaly an-tegna fô navela hikoragna
ke hivôlan-draha amin-dray aman-dreny!
Ny tegna ray aman-dreny vônon-kitandregny!
Vônon-kitandregny ,hetahetan-jaza a!
Hetahetan-jaza zaza mbôla hely!

Zandaro sy Pôlisy nisava tomabily!
Nisava tomabily ,taxi-brousse i!
Taxi-brousse tavela tam-barazy
Tavela tam-barazy ts'isy écolage
Tsy misôkatra barazy kô tsis écolage!
Tsy misôkatra barazy kô tsis écolage!

Very kara-tôndrô ô! I Iaban' i Dagôgô ô!
Vezivezy lava magnatogna bureau ô!
Kara-tôndrô araiky tsy efa vôlan-draiky!
ana kô mekimeky magnefa écolage!
Izy kô misy écolage efa raha jiaby!
Izy kô misy écolage efa raha jiaby!

Lafo vidim-bary mitômbo isa ny marary !
Menga a l’Hôpital mivengivengy jalijaly!
Hôpital tsy mitsabo ôlo tsisy vôla!
Tany jiaby himboagna vôla vôla vôla vôla vôla!
Vôla,vôla,vôla,vôla ,vôla ,vôla ,vôla !

Mahiagna velon-tegna tsy tôdy vôlagna karama!
karama tavan-draigny e! tsy teky vôlan-draiky e!
Mitsakara-bôla hafa ambônin'ilay efa azo!
Vôlan'écolage mamenofeno ananjy!
Mamenofeno ananjy vôlan'écolage!

Raha tena manana finiavana hiady amin ny Tsolotra ny Fanjakana dia tokony ho jereny akaiky ny farim-piainan'ireo Mpiasam-panjakana.
Ary raha toa ka mbola minia manao tsolotra ireo mpiasa aorian ny fanondrotana ny farimpiainany dia afaka miroso @ fanasaziana ny tompon 'andraikitra!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Nantenaina
Vangy : 1705
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : herissoa
Daty : 24/02/2015 23:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1909