Andriamanitry ny famindram-po (YMC Gospel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
PRELUDIUM :
Fa Andriamanitry ny famelan-keloka hianao ka mamindra fo,
miantra, mahari-po sady be famindram-po,
ary tsy mahafoy anay Hianao (Neh 9 ;17)
Miaina izany famindram-ponao izany isan’andro,
Ka feno fisaorana, feno fankalazana
Tsy feno ny fiainanay raha tsy misy anao Andrimanitra  ô
Dia mankasitraka, Misaotra!

1) Jehovah Andrimanitra , izaho miantso anao
(Izaho ilay mpanota notahianao e e)
Maro dia maro ny ota natao
(Saika efa maty fa nalainao e e !)
Niaina tanatin’ny loto isan’andro
(Izaho ilay mpanota notahianao e e)
Raha tsisy Anao tsy nahita Masoandro ô !
(Saika efa maty fa nalainao e e !)
X2

REF : Miaina amin’ny famindram-ponao isan’andro
Hianao no Andriamanitra, be fahasoavana
Tsy feno ny fiainako raha tsisy anao e,
Mpamela heloka, feno fitiavana

2) Jehovah Andriamanitra , misaotra anao e !
(Izaho ilay mpanota notahianao e e)
Izaho ilay nihodina fa tsy nahalala
(Saika efa maty fa nalainao e e !)
Nandà tsy nety nanaraka anao, mifona e !
(Izaho ilay mpanota notahianao e e)
Ny saiko taloha tsy nahalala ny tsara e, Zanaka adala e !
(Saika efa maty fa nalainao e e !)

REF: ...
Be fahasoavana e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : YMC Gospel
Vangy : 240
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nainaktkt
Daty : 24/10/2025 09:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1544