IZAHO JESOSY Ô (YMC Gospel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Izaho Jesosy ô, izaho maniry
Maniry hanaraka Anao, mba hitoeranao, ho Anao
Izaho dia maniry ny mba ho isan'ny Anao
Na aiza na aiza aleha.

Izaho Jesosy ô, izaho maniry
Maniry ny mba ho akaikinao tsy lavitra Anao
Na dia tsy mendrika ny hiantso ny Anaranao akory aza aho
Inty aho, raiso aho ka hanjakao.

Ianao hanaisotra ny zioga 'zay mangeja
Ianao hanadio amin'ota rehetra
Ami'lay Rànao nalatsakao ho famonjena
'Zao tontolo izao, fa fitiavana Ianao.

Na faly aho na ory, na tomany, rera-tsaina
Na hamirifiry aza ny ririniko
Ny manana Anao dia manan-kantenaina
Ireo tebiteby hisinda avokoa
Ireo tebitebiko hisinda avokoa

2. Izaho Jesosy ô, izaho maniry
Maniry ho mpanomponao, hanao ny asanao, ho Anao
Izaho dia maniry ny hanao 'zay sitrakao
Na aiza na aiza aleha.

Izaho Jesosy ô, 'zao no faniriko:
Ny androko sisa apetrako eo an-tananao
Ka n'inon'inona sedra mandalo ami'zao fiainana izao
Ampy ho ahy ny Fahasoavanao

Ianao hanaisotra ny zioga 'zay mangeja
Ianao hanadio amin'ota rehetra
Ami'lay Rànao nalatsakao ho famonjena
'Zao tontolo izao, fa fitiavana Ianao.

Ka amin'ny andro hiverenanao indray
Amin'andro farany 'zay tsy ho fantatray
Maniry aho Jesosy ô hahazo fandresena
Na maso hahita ny fiandriananao
Ny masoko hahita ny fiandriananao.

Tonony sy feony: Eugène Aimé RAMANANKORAISINA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : YMC Gospel
Vangy : 1824
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nainaktkt
Daty : 24/08/2018 11:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728