You are here: home > Tononkira > YMC Gospel

TOY NY VONINKAZO (YMC Gospel)

1. Na manimpofona sy tsara-bika aza ny voninkazo,
‘Zay miloko marevaka mahasondriana dia kanto tokoa,
Fa na ho ela na ho haingana anefa izy ireny dia tsy maintsy mbola halazo,
Ka ho tontan’ny ela hihintsana ho maina ho lo.
Fa tsy misy maharitra eto, ka diniho sy eritrereto,
Na ny hery na tanjaka harena, fahantrana ary koa volamena,
Na tolokon’ireo voatsindry hazolena, na ny ferin’ainan’ireo osa sy ireo mosarena,
Na izaho na ianao anie dia mandalo miserana ihany,
amin’ty tany mamy 'zay fandalovana ihany
Na izaho na ianao dia samy mikatsak’ilay Paradisa,
samy te handova iry lanitra iry,
ka andeha hifankatia, dieny mbola ety,
zay ny didy vaovao,  tiana hambara aminao  an…an…
dieny mbola ety dieny mbola ety,
*Zay no didy vaovao tiana hambara aminao.

2. Na dia manjombona sy malok’ila aza re 'zany andro,
Irony lanitra ambony dia tandrifin-drahona ka aiza moa,
Dia tsarovy fa mbola hiposaka sy hibaliaka indray ilay masoandro,
Ka hamonto hazavana ny voary tsy hamoy fo,
Toy izany ny fiainana eto, indraindray aza dia mampisento,
Raha mifaly ianao androany, rahampitso dia mety tomany
Dia mivadibadika toy izantononkira.serasera.orgy foana ‘ty fiainana an-tany ka tsy misy fanafany izany
Fa ny fanantenana azo hianteherana tokana ihany
amin’ty tany mamy, 'zay fandalovana ihany,
Dia ilay tsy miova omaly anio sy ho mandrakizay (mandrakizay)
Dia Jesosy Tompo Mpamonjy anao
Tadiavo Jeso Dieny mbola ety
Raiso anio Jeso fa anio no andro mety an…an…
Tadiavo Jeso dieny mbola ety
Raiso anio Jeso Fa tsy ho neninao.

3. Izy nibaby nivesatra ny otatsika rehetra,
Izy niaritra latsa sy eso ny kapoka namaivay ,
Ka namoy ny ainy ho sorona velona maty ho antsika rehetra,
Fa nitsangana indray ho velona mandrakizay,
‘Lay  fitiavany tsy manampetra nozinarany  ho an’ny rehetra
Ka na iza na iza  eto an-tany tsisy ho very anjara am’izany
Tsy mifidy fiodirana, foko, saranga na koa fihaviana
Na ny manana na ny mahantra,
Fa ny fo ’zay mibebaka sy manaiky ny Tompo ho Tompo
amin’ty tany mamy 'zay fandalovana ihany,
No handova ny lanitra sy handova ilay Paradisa
Nampanantenaina sy ho mandrakizay
Mibebaha ianareo  Fa ho avy Jeso
Miomana ianareo fa ho avy Jesosy an…an…
Mibebaha ianareo Fa ho avy Jeso
Miomana ianareo fa ho avy Jeso!

Tonony sy feony: Eugène Aimé  RAMANANKORAISINA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : YMC Gospel
Mpamaky : 543
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nainaktkt
Tamin'ny : 24/08/2018 13:29:53
ID : 10906

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo