MAHEREZA FOANA (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay nenjehina fatratra hatramin’izay
Nosedraina nalefa anaty afo nandalo ady mahamay
Toa reraka ianao na dia niezaka niaritra ihany niady mafy hatrizay
Mahatsiaro resy indraindray

Mahereza foana ianao na maro aza ireo tsy tia
Fa ianao sy ny ankohonanao ho tahian’I Jesosy Kristy
Mahereza foana ianao na mafy aza ny ady ety
Fa ianao sy ny ankohonanao ho tahian’I Jesosy Kristy

Lay sakaiza nantenaina nahafoy anao ka lasa tsy tia
Ireo fianakaviana dia efa nanadino satria
Toa reraka ianao na dia niezaka niaritra ihany niady mafy hatrizay
Mahatsiaro resy indraindray

Mahereza foana ianao…
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 13272
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 05/05/2017 13:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947