Malagasy avelao (TDL (True Direction Life))

https://tononkira.serasera.org/hira/tdl-true-direction-life/malagasy-avelao

Fantatro tompo fa malahelo ianao
Izay no mahatonga izao loza rehetra izao
Mitaraina ny tany mavesatry ny otanay
Jesosy ô! Jereo ny nosinay (×2)

Mifona ho an'ny fireneko aho
fa mijaly izahay ety
Mifona ho an'ny fireneko aho
fa marary izahay ety
Mitalao mba enoy izao vavaka izao
Raha misy ny hatezeranao Malagasy avelao (×2)

Indraindray dia mifanome Tsiky dia ampytsiny izahay
Tsy mba mifamela mba ho Malagasy hitambatra ho iray
Tsy izany anefa no toe-mpanahy tadiavinao
Jesosy ô! Malagasy re! mba hiantrao (×2)

Mifona ho an'ny fireneko aho
fa mijaly izahay ety
Mifona ho an'ny fireneko aho
fa marary izahay ety
Mitalao mba enoy izao vavaka izao
Raha misy ny hatezeranao Malagasy avelao (×2)

Raha misy ny hatezeranao Malagasy avelao (×2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TDL (True Direction Life)
Mpamaky : 102
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : lal'aina pisou
Tamin'ny : 09/08/2020 20:50:14
ID : 12987

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo