LANITRA (TDL (True Direction Life))

https://tononkira.serasera.org/hira/tdl-true-direction-life/lanitra-3

Efa ela ihany no naniriko fa tsy maintsy tonga any
Efa mati-panirina ny saiko hahita izany toerana izany
Ny fiainako eto an-tany efa madiva sy efa kelikely ihany
Raha omenao safidy aho dia ny tiako dia androany dia androany

Asa ianao raha manam-paniriana toa ahy mba andeha ho any
Volamena ny lalana any ary tsisy tomany
Fa asakasakao raha mbola hijanoana hifikitra tamana eto an-tany
Efa voalazan’ny mpaminany tsy maintsy potika ny tany
Ianao ve tsy mba manampaniriana toa ahy mba andeha any

Efa ela ihany no nahafantarako hoe misy hono izany
Dia namisavisa ny saiko htononkira.serasera.orgoe kanto izany toerana izany
Ny fiainako eto an-tany efa madiva sy efa kelikely ihany
Raha omenao safidy aho dia ny tiako dia androany dia androany

Asa ianao raha manam-paniriana toa ahy mba andeha ho any
Volamena ny lalana any ary tsisy tomany
Fa asakasakao raha mbola hijanoana hifikitra tamana eto an-tany
Efa voalazan’ny mpaminany tsy maintsy potika ny tany
Ianao ve tsy mba manampaniriana toa ahy mba andeha any
Volamena ny lalana any ary tsisy tomany
Fa asakasakao raha mbola hijanoana hifikitra tamana eto an-tany
Efa voalazan’ny mpaminany tsy maintsy potika ny tany (3X)
Indray andro any

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TDL (True Direction Life)
Mpamaky : 11935
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : niniekely
Tamin'ny : 05/05/2017 10:25:58
ID : 9458

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo