OLONA MIAVAKA (TDL (True Direction Life))

https://tononkira.serasera.org/hira/tdl-true-direction-life/olona-miavaka

Raha jerena ny fiainan’ny olona maro
Isan’andro totohondry sy daka ao an-trano
Mitsororoka ambany ny fiainany satria
Tsy navelany hiditra hanjaka ao aminy I Kristy
Vao sendra misy ny olana kely indraindray
Dia ary hono misy olona mahay
Fa ny antsika tsy tahaka an’izany leretsy e!
Fa Jesosy ihany no manao izay mety

Olona miavaka ianao (3x) satria
Efa nandray an’I Jesosy

Ireo namana izay niaraka taminaTsiky dia ampyo taloha
Dia manilikilika anao avokoa
Hoe tsy tiany hono ianao fa mivavaka satria
Tsy mitovy fijery ka misara-dalana ny dia
Ireo fianakaviana rehetra amin’izany
Dia talanjona oe fa naninona ianao izany
Toa lasa niova tanteraka ianao ty raha vao nandray an’I Jesosy

Ref (2x) instrumental Ref (4x)
Olona miavaka ianao satria efa nandray an’I Jesosy
Efa nandray an’I Jesosy ianao
Olona miavaka ianao satria efa nandray an’I Jesosy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TDL (True Direction Life)
Mpamaky : 5004
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : niniekely
Tamin'ny : 05/05/2017 09:25:43
ID : 9456

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo