ANDRO MALAZAN' I SELA (TARIKA SELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
        xqrshvz                                  
Anio no andro frnqkmzd malaza
Anehoana izay zava-kinasa
Sambatr'eny , tafaray samy tia
Vita  voady mandra-maty , hifangia

Anio no santam-pitia
Mampitohy ireo tadim-baliha
Tsofirano ny lalan-kaleha
Fa tanora vao miana-mandeha

Hifaly aho izao, satria sitrakao
Ho lamban'ankoho ,ka tsy hifandao
Hanaraka anao ,ho mandrakizay
Hiaraka isika ,ny fo hifandray

Anio no hiandrasantsika
Ireo sakaiza tsy mahafoy any ampita
Hiara-paly sy hikorana izy ireo
Ka hitosy ary hanandra-peo

Ho tantely bruytq ka higoka ny mamy
Hasambarana hitohy sesilany
Ka ho soa izany fiarahantsika
Mandramaty dia tononkira.serasera.org ho fotsy botsiaka

Hifaly aho izao, satria sitrakao
Ho lamban'ankoho , ka tsy hifandao
Hanaraka anao , ho mandrakizay
Hiaraka isika , ny fo hifandray


Tonony sy feony  :  HANDRINANTSOA 034 11 141 75

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : TARIKA SELA
Hits : 2142
Likes : 0 Like
Created by : handrinantsoa
Date : 17/11/2017 14:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.03