AMPANIRIHO (TARIKA SELA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Trano be mijoalajoala
No manemotr’ araba
Meva mampiherika mpandeha
Hazo maro mivangongo
No ankanim-boron-kely
Ao no ahitako
Fiainana sy fiadanam-be

Fa ny tena kanto indrindra
Ilay rian-drano mikoriana
Eny antsefantsefa-bato
Alokalofan’ireo ala , Mipatrak’ala e
Mamerovero ; Tsy hoe manirery
Fa maro mpijery

Ny vahiny raha mitazana
Ty tanintsika efa ngazana
Te hiantsoantso hoe:
kolokoloy , ampaniroho , omeo aina e!
Tsy ho karakaina ; De ho tantaraina
Fa olo-misaina

Hafatra atao an-kira
No apetraka ho tantara
Izany angamba no azonay ambara
Mba vonjeo ity firenena
Voageja an-katerena
Hahavita be ,
Ho tsara fandeha ,mba ho rehareha


Tonony sy feony : HANDRINANTSOA 034 11 141 75 / 032 11 141 75
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TARIKA SELA
Vangy : 1540
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : handrinantsoa
Daty : 17/11/2017 14:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737