You are here: home > Tononkira > TARIKA SELA

FETIN ' I NENY (TARIKA SELA)

                                          

Neny o! fetinao indray anio Neny
Eny ,tsy voalohany na faran-teny
Ireny,hoa nao ireny rehetra ireny
Fa ny Reny,zay manolotra, ekeny

‘Reo tsy mitoetra ela fa tantara
Ny fonao, hitempo hangarahara
Ny feo ho reHan’ny dimby sy fara
Ny solofo ho ankizy tsara fihafara


Ho sahalan’ny fiainana izahay
Ny afom-pitiavana hamaivay
Ny fanahytononkira.serasera.org,hitoetra mandrakizay
‘Reo ankizy,hiezaka hahay
Ny fombafomba fanaonay
Amin’izay ho tafaraka indray


Neny !antsonay mandavan-taona
Na ho fahavaratra na lohan-taona
Ny dianay mbola hitety havona
Faniriana ny mbola ho tafahaona

Zandry o,Ianareo mahalala tsara
Fa efa be taona ity reny malala
Zoky no hijery , hikarakara
Hananatra ireo zay miadaladala



Tonony sy feony  :  Handrinantsoa  034 11 141 75

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TARIKA SELA
Mpamaky : 477
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : handrinantsoa
Tamin'ny : 17/11/2017 14:33:56
ID : 10166

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo